小狗能吃什么
Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro faharoa ny Zoma raha andro voalohany ao amin' ny herinandro ny Alakamisy. Ny andro hafa amin' ny herinandro dia ny Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy, Asabotsy, ary Alahady. Ny fenitra ISO 8601 dia manondro ny Zoma amin' ny isa 5.
Amin' ny kolontsaina taloha sasany dia andro nanompoana manokana andriamanibavy ny andro Zoma, anisan' ireo andriamanibavy ireo i Venosy sy i Afr?dita. Manana ny lanjany hafa io andro io ao amin' ny kolontsain' ny firenena sy ny fivavahana ankehitriny: ny andro Zoma no andro fankanesan' ny Mozilmana any amin' ny m?skea.
Any amin' ny ankamaroan' ny firenena tandrefana, ny Zoma no andro fahadimy sy farany amin' ny herinandro fiasana. Any amin’ ny firenena sasany, ny Zoma no andro voalohany andro mamarana ny herinandro, ary ny Asabotsy no andro faharoa. Ao Israely, ny Zoma no andro fahenina amin' ny herinandro. Any Iràna, ny Zoma no andro farany amin' ny andro mamarana ny herinandro, ary ny Asabotsy no andro voalohany amin' ny herinandro fiasana. Nanaraka an' io fifanarahana io koa i Bareina, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Arabia Saodita ary K?ety mandra-piovany hanao ny andro farany amin' ny herinandro ho Zoma–Sabotsy tamin’ ny 1 Septambra 2006, tany Bareina sy tao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, ary herintaona tat? aoriana tany K?ety. Nanova ny andro farany amin' ny herinandro ny Emiràta Arabo Mitambatra avy amin' ny Zoma–Sabotsy mankamin' ny Asabotsy–Alahady tamin'ny 1 janoary 2022.
Ny teny hoe Zoma sy ny mitovy aminy amin' ny fiteny hafa
[hanova | hanova ny fango]Ny Zoma ao amin' ny fiteny r?mana
[hanova | hanova ny fango]
Ny teny anondroana amin' ny fiteny r?mana maro (nipoitra avy amin' ny fiteny latina) dia dia avy amin' ny teny latina Veneris dies, midika hoe "andron' i Venosy" sady fandikana ny andian-teny grika hoe ?φροδ?τη? ?μ?ρα / Aphrodī?tēs hēméra, ny anarana latina hoe Venus amin' ny endrika tompon-javatra amin' ny teny latina dia Veneris. I Venosy dia anaran' ny andriamanibavy r?mana, izay atao hoe Afr?dita (?φροδ?τη / Aphrodítē) ao amin' ny fedrà grika.
Ny teny frantsay dia manao hoe vendredi. Ny firenena r?mana sasany dia mampiasa tamba-teny mifototra amin' ny filaharan' ny teny mifamadika amin' izany diem Veneris, izay voamarina amin' ny teny frantsay taloha sy ny fiteny val?na taloha amin' ny endrika dindres. Ny fiteny ?ksitana dia mitazona ny endrika divendres (na endrika fitenim-paritra hafa mihitsy aza, ankoatra ny endrika ankapobeny, fiteny vivar?-alpina lo vèndres, fiteny pr?vensaly vendres), fiteny katalàna divendres (viernes amin' ny teny espani?la).
Ny Zoma koa dia atao hoe venres amin' ny teny galisiana, vennari amin' ny teny k?rsika (na k?rsa), venerdì amin' ny teny italiana, vineri amin' ny teny romaniana, and viernes amin' ny teny espani?la izay namboarin' ny fiteny filipin? hoe biyernes na byernes, sy ny fiteny sam?r? hoe betnes. Hita taratra ihany koa izany amin' ny fiteny galoà (ao amin' ny fiteny gal?-brit?nika) hoe Gwener.
Ny teny p?rtogey dia tena miavaka amin' ny fiteny r?mana hafa amin' ny fampiasana teny manokana sexta-feira (avy amin' ny teny latina hoe feria sexta, izay midika hoe "andro fahenina"). Ny teny sardiniana na sarda dia manao ny Zoma hoe chenàpura izay avy amin' ny teny latina hoe cena pura., teny nampiasain' ny Jiosy tao amin' ny nosy Sardinia (na Sardagne) hilazana ny sakafo ataony hiomanana amin' ny Sabata.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny jermanika
[hanova | hanova ny fango]
Any amin' ny firenena miteny jermanika dia andron' ny andriamanibavy Freyja, Frigg, Fr?ja, Frea, izay mitovy amin' ny andriamanibavy Venosy (Venus). Ny teny anglisy hoe Friday dia avy amin' ny teny anglisy taloha frī?ed??, midika hoe "andron' i Frig", vokatry ny fivoriambe taloha nampifandray ny andriamanibavy n?rdika Frigg amin' ny andriamanibavy r?mana Venus, izay mifandray amin' ny andro ao amin' ny kolontsaina maro. Mitovy amin' izany koa ny Friatag amin' ny teny alemana taloha, Freitag amin' ny teny alemàna m?derina, ary vrijdag amin' ny teny neerlandey.
Ny teny hoe friggjar-dagr no teny andrasana hilazana ny Zoma amin' ny fiteny islandey taloha, nefa ny anaran' ny Zoma amin' ny fiteny islandey taloha dia frjá-dagr, manambara teny indrana avy amin' ny fiteny alemàna ambany izany; fríggjadagur anefa ny anarana amin' ny teny far?iana m?derina.
Ny teny skandinaviana m?derina dia fredag ??amin' ny fiteny soedoà sy n?rveziana ary danoà, izay midika hoe "andron' i Freyja". Ny fanavahana an' i Freyja sy i Frigg amin' ny fedrà jermanika sasany dia iadian-kevitra.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny slava
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny fiteny slava dia miantso ny Zoma hoe teny midika hoe "andro fahadimy": amin' ny fiteny biel?rosiana dia пятн?ца / pyatnitsa, amin' ny fiteny bolgariana dia петък / pet?k, amin' ny fiteny tseky dia pátek, amin' ny fiteny p?l?ney dia pi?tek, amin' ny fiteny rosiana dia пятница / pyatnitsa, amin' ny fiteny serb?-kr?atiana dia петак / petak, amin' ny fiteny sl?vaka dia piato k, amin' ny fiteny sl?veniana dia petek ary amin' ny fiteny okrainiana dia п'ятниця / p'yatnitsya.
Ny teny h?ngroà péntek dia indran-teny avy amin' ny fiteny pan?niana (fiteny slava). Ny n ao amin' ny teny hoe péntek dia maneho ny fandraisana tany am-boalohany avy amin' ny fiteny slava, raha mbola misy zanapeo kentsona ny tenim-paritra slava maro. Amin' ny fiteny slava ankehitriny dia ny fiteny p?l?ney ihany no mitazona zanapeo kentsona.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny ao Afovoany Akaiky sy ny nindrana aminy
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny teny arabo, ny Zoma dia ?????? / al-jum?ah, avy amin' ny fototeny midika hoe "fiangonana" na "fivoriana". Amin' ny fitenin' ny firenena silamo ivelan' ny Tontolo Arabo, ny teny ilaaana ny Zoma dia matetika avy amin' io teny arabo io: Jumaat (any Malezia) na Jumat (any Ind?nezia) amin' ny fiteny malay, cuma amin' ny fiteny tiorka, ???? / jum?a amin' ny fiteny persiana sy ordo ary Ijumaa amin' ny fiteny soahily. Ny teny malagasy hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin' ny teny arabo ihany koa.
Amin' ny fiteny hebreo (hebreon' ny Baiboly sy vaovao), ny Zoma dia ??? ???? / Yom Shishi midika hoe "andro fahenina".
Ny Zoma ao amin' ny fiteny indiana
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny ankamaroan' ny fiteny indiana, ny Zoma dia atao hoe Shukravāra, andro natokana ho an' i Shukra, ny planeta Venosy. Amin' ny fiteny bengaly dia ???????? na Shukrobar no andro faha-6 amin' ny herinandro bengaly ao amin' ny tetiandro bengaly ary andro voalohany amin' ny faran' ny herinandro ao Bangladesy. Amin' ny fiteny tamily ny Zoma dia atao hoe velli, anaran' i Venosy ihany koa; ary amin' ny fiteny malaialama dia velliyalca.
Ny Zoma ao amin' ny fiteny hafa
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fiteny jap?ney, 金曜日 (きんようび / kinyōbi) dia niforona avy amin' ny teny 金星 (きんせい, kinsei) midika hoe Venosy (ara-bakiteny: "volamena + planeta") sy 曜日 (ようび / yōbi) midika hoe "andro (ao amin' ny herinandro)").
Amin' ny fiteny k?reana ny Zoma dia ??? / geumyoil (amin' ny soratra koreana Hangul), sady endrika anononana ny teny voasoratra hoe 金曜日 amin' ny tarehin-tsoratra sinoa, toy ny amin' ny fiteny jap?ney.
Amin' ny fiteny nahoatla, ny Zoma dia atao hoe quetzalcōātōnal (vakina hoe [ket?sa?ko?a??to?na?]) sady midika ara-bakiteny hoe "andron' i Quetzalcoatl" (i Quetzalcoatl dia andriamanitra azteka).
Ny Zoma eo amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ny andro Zoma eo amin' ny kolontsaina malagasy
[hanova | hanova ny fango]Andro faharoa ny Zoma teo amin' ny Ntaolo malagasy raha andro voalohany ny Alakamisy. Andro mainty ny Zoma ka mety amin' ny fandevenana, toy ny Alatsinainy. Atao hoe "Zoma manantena" ny andro Zoma[1]. Indreto misy ohabolana momba ny andro Zoma:
- Ny akoho no tsy nanidina: tsy nahandry ny andro Zoma.
- Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany; ataoko fanjakana arindra.
- Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Tetiandro greg?riana: Janoary, Febroary, Marsa, Avrily, Mey, Jona, Jolay, Aogositra, Septambra, ?kt?bra, N?vambra, Desambra.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Zoma", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy, 1985.