1天前信诚人寿仕志华 收到网友提出的一个问题

Ny Negrit? dia vahoaka mainty hoditra monina ao amin' ny faritra ara-je?grafia telo ao Azia Atsimo-Atsinanana, dia ny faritra misy ireo nosy Andamàna, ny Saikanosin' i Malezia (ahitana an' i Malezia, i Tailandy ary i Mianmara na Birmania) ary i Filipina.
Ireto ireo vahoaka negrit?: ny Andamaney tompo-tany (Andamaney-Lehibe, Jaraoà, ?nga, Sentinely) ao amin' ireo nosy Andamàna; ny Negrit? ao amin' ny Saikanosin' i Malezia, isan' izany ny Semanga (isany ny Bateka), ny Sen?y, ny Manika (na Many) ao amin' ny tapany atsimon' i Tailandy; ny Aeta (ao amin' ny nosy Luzon), ny Aty sy ny Tomand?ka (ao amin' ny nosy Panay), ny Batàka, ny Agta ao Sierra Madre, ny Sambala, ny Mamanoà ao amin' ny nosy Mindana? ary foko hafa miisa eo anelanelan' ny 25 sy 34 ao Filipina.
Ny Negrit? dia taranak' ireo olombelona m?derna voalohany tonga tao amin' ireo faritra ireo tany amin' ny 50 000 hatramin' ny 70 000 taona lasa. Mivelona amin' ny fihazana sy ny fiotazana izy ireo. Nifangaro tamin' ny vahoaka bengaley sy vahoaka miteny m?n-kmera ary aostr?neziana tonga taty aoriana tao amin' ireo faritra ireo izy ireo. Ny vahoaka negrit? sasany dia nanjary mpamboly sady nandray ny fitenin' ireo vahoaka tonga taoriana ireo.
Na dia mifanahaka aza ny endrika ara-batan' ireo vahoaka atao hoe Negrit? ireo dia manjavozavo sy efa tranainy loatra ny maha mpihavana ara-poto-tarazo azy, ka ahitana soritra ny fisian' ny andiam-pifindrà-monina nifanesy samihafa izany.
Ny vahoaka negrit?
[hanova | hanova ny fango]
Ny Andamaney
[hanova | hanova ny fango]Ny Andamaney dia vahoaka tompon-tany ao amin' ireo nosy Andamàna. Ireo nosy Andamàna ireo dia ao amin' ny fari-tanin' ny Firaisana Indiana izay 800 km ao atsimo-atsinanan' i India ao amin' ny Hoalan' i Bengaly, ao amin' ny ranomasina manandrify ny morontsirak' i Mianmara (na Birmania). Miisa dimy ny vondrom-poko andamaney, dia ny Andamaney-Lehibe, ny Jangly, ny Jaraoà, ny ?nga ary ny Sentinely.
Ny Semanga
[hanova | hanova ny fango]Ny Semanga (Semang) dia vondrom-poko ao Perak sy Pahang sy Kelantan ary Kedah any Malezia sy ao amin' ireo faritany atsimo any Tailandy. Efa talohan' ny taonjato faha-3 izy ireo no nanomboka nonina tao amin' ny Saikanosin' i Malezia. Vahoaka mpifindrafindra toeram-ponenana izy ireo, izay mivelona amin' ny fihazana sy ny fiotazana. Ny Semanga dia avondrona ao amin' ireo foko hafa atao hoe ?ranga Asly (Orang Asli).
Fomba fiainana sy kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Na tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-20, ny ankamaroan' ny Negrit? dia olona mpifidrafindra monina mpihaza sy mpioty. Na izany aza dia misy ireo sasany izay lasa mpamboly tahaka ny mponina hafa tonga tsikelikely nanodidina azy, indrindra ny Aostr?neziana ao amin' ny faritra roa (Filipina sy Saikanosin' i Malezia).
Ny Semanga any Malezia dia nanamboatra fitafiana tamin' ny hodi-kazo sady nonina tanaty lavabato na tanaty aloka vita amin' ny rantsan-kazo.
Ny Andamaney, na dia nahafantatra ny fampiasana ny afo aza, dia tsy nahay nanamboatra izany talohan' ny nahatongavan' ny vahoaka avy any ivelany.
Tamin' ny findohan' ny taonjato faha-21 dia lasa niorim-ponenana ny ankamaroan' ny Negrit?, niharan' ny fanatontoloana ny fiainany, nivelona amin' ny fikaramana sy ny fifanakalozana, sahala amin' ny mponina manodidina azy, na dia mbola mahalala sy mbola mampita ny fahalalana nahafahan' izy ireo niaina tanany tontolo sarotra ireo mbola ntaolo fiainana.
Fiteny
[hanova | hanova ny fango]Ny tompon-tany ao amin' ireo nosy Andamàna (ny Andamaney) no nitahiry ny fiteniny tany amboalohany (fiteny andamaney). Ny anton' izany dia ny fifampikasohany izay vao tsy ela tamin' ireo vahoaka hafa izay niseho tamin' ny taonjato faha-19.
Ny Negrit? any Filipina sy any amin' ny Saikanosn' i Malezia dia niharan' ny tontolo manodidina azy efa talohaloha kokoa, ka ankehitriny dia miteny amin' ny fiteny aostr?neziana (ny Aeta sy ny Aty ao Filipina), na amin' ny fiteny m?na-kmera (ny Samanga sy ny Sen?y any Malezia). Amin' ireo fiteny ireo dia misy ny tsy ahitana foto-teny aostr?aziatika na aostroneziana fantatra. Ahitana soritra ny nisian' ny fiteny efa teo talohan' ireo fiteny tenenina ankehitriny izany.
Ny fiteny sasany dia tandindomin-doza. Ao Filipina, izay tsy ahitana afa-tsy Negrit? miisa 15 000 any ho any (raha 35 000 izany tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20), dia efatra amin' ny fiteniny (zay nitotaly telopolo any ho any) no tsy misy mpiteny intsony, ary ny sasany tandindomim-pahafatesana.
Ny toetra ara-batana
[hanova | hanova ny fango]Nivoatra ny toetra ara-batan' ny Negrit? any Filipina ka lasa keliray, angamba noho ny fifanentanana amin' ny ala mando sy noho izy monina a-nosy. Sahala amin' ny Pigmea, ny Negrit? dia isan' ireo vahoaka keliray, vitsy anisa koa izy ireo ary tsy tena be mpahalala.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Vahoaka isam-pirenena:
Vahoaka hafa
- Papoa (vahoaka)
- Tompon-tanin' i Aostralia
- Melaneziana
- Veda (vahoaka)
- Negrit?
- Tompon-tanin' i Tasmania
- Aostral?-melaneziana
- Mainty hoditra
- Hoditra mainty
- Aostralazia
- Afr?-aziatika
- Malata
Vahoaka maneran-tany
- Kaokazoida: Ariana - Semitika - Hamitika
- Negr?ida: Negr? - K?ik?y - Melaneziana - Negrit? - Aostral?ida
- M?ng?l?ida: M?ng?ly Tavaratra - Sinoa sy Ind?sinoa - K?reana sy Jap?ney - Tibetàna sy Birmana (na Bama) - Maley - P?lineziana - Ma?ry - Mikr?neziana - Eskim? sy Inoita - Tompon-tanin' i Amerika
- Dravidiana sy Singaley