Cueva Shuanghe en Guizhou es declarada la más larga de Asia Spanish.xinhuanet.com


I Mased?nia Avaratra na Maked?nia Avaratra dia firenena ao Eor?pa Atsimo, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. I Skopje no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra any. Mirefy 25 713 km2 ny velarany ary miisa 1 832 696 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 2021. Ny faritr' ora dia +1. Atao hoe Repoblika Iog?slavan' i Maked?nia Taloha koa izy.
Tendrombohitra sy lohasaha lalina ary havoana no mandrafitra ny vohon-tanin' i Maked?nia Avaratra. Tsy manana morontsiraka ity firenena ity. Ny ony Vardar, izay mamakivaky azy avy any avaratra-andrefana mankany atsimo-atsinanana, no hany lalana ahafahany mifandray amin’ i Grisia. Ao amin’ ny faritra misy horohoron-tany matetika no misy an’ i Maked?nia Avaratra.
Maked?niana na Mased?niana ny 65 %n’ ny mponina any Maked?nia Avaratra, ka ny maro amin’ izy ireo dia Kristiana ?rt?d?ksa. Misy Albaney koa, izay manaraka ny fivavahana silamo, ny any. Maro ny vahoaka vitsy anisa monina ao Makd?nia Avaratra ka anisan' izany ny Tiorka, ny R?ma ary ny Serba na Serbiana. Ahitana disadisa eo amin’ ireo vahoaka isan-karazany ireo (indrindra eo amin’ ny Albaney sy ny Maked?niana) ao Maked?nia Avaratra, sahala amin’ izay hita ao amin’ ireo firenen' ny faritry ny Balkana.
Manana tany midadasina azo volena i Maked?nia Avaratra, ary isan-karazany ny zavatra volena any: ny hazo fihinam-boa, ny landihazo, ny legioma, ny paraky, ny voaloboka, ny voamadinika sns. Betsaka koa ny harena an-kibon' ny tany any, indrindra ny akoram-piramainty sy ny arintany ary ny vy.
Tao amin' i Iog?slavia taloha i Maked?nia Avaratra izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Tamin’ ny taona 1993 vao nankatoavin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany fahaleovan-tena izany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Eor?pa
Albania - Alemaina - And?ra - Aotrisy - Belzika - Biel?rosia - Bolgaria - B?snia-Herzeg?vina - Danemarka - Espaina - Est?nia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - H?ngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Je?rjia - Kipra (na Sipra) - Kr?asia (na - Kr?atia) - Let?nia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Mased?nia Avaratra (na Maked?nia Avaratra)- Malta - M?ldavia - M?ntenegr? - Nederlandy - N?rvezy - Okraina - P?l?nia - P?rtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Mar?no - Serbia - Sl?vakia - Sl?venia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
K?ntinenta eto an-tany