深化2017年经济体制改革,总理为你“划重点”
?аза?стан Республикасы ((kk)) | |||||
Qazaqstan Respubl?kas? kk | |||||
Республика Казахстан ru | |||||
Repoblikan'i Kazakstàna ((mg)) | |||||
| |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | Kazaka (fitenim-panjakana) Rosy (fiteny ofisialy) | ||||
Renivohitra | Astana 51°10′N 71°30′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Almaty | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisirtra |
Repoblika Kassym-Jomart Tokayev Askar Mamin | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 9 2 717 300 km2 6,82 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 60 17 522 010[1] mpo. 5,7 mpo./km2 百度 在办案实践中,需要注意“不如实交代问题”与正常行使党员申辩、申诉权利之间的区别。 {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kazàka | ||||
Sandam-bola | Tengue (KZT )
| ||||
Faritr'ora | UTC +5[2] | ||||
Hiram-pirenena | Мен?? ?аза?станым (Meni? Kazakstan?m) (?Kazakstanako?) | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+7
|
I Kazakstàna na Repoblikan' i Kazakstàna, dia firenena ao amin' ny faritra avaratr' i Azia Afovoany. Taloha i Kazakstàna dia faritanin' ny Fanjakana Rosiana ary anisan' ny repoblika mpikambana tao amin' ny Firaisan' ny Repoblika S?sialista S?vietika taloha, ary nahaleotena tamin' ny taona 1991, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Kaspiana sy ao amin’ ny Ranomasin' i Aral izy. Kazàka no anaran' ny mponina ao aminy. Atao hoe Qazaqstan sirilika. ?аза?стан, /qɑzɑq?stɑn/; anarana lava: Qazaqstan Respubl?kas?, sirilika. ?аза?стан Республикасы amin' ny fiteny kazàka.
Ny renivohiny dia i Astana; ny fiteny kazàka no tenim-panjakana ary ny fiteny rosiana no teny ?fisialy.
Tany avo vaorakotra fatrana sy tendrombohitra ny tanin' i Kazakstàna. Any no ahitana ny tendrombohitra Oural sy Altai ary Tian Shan Andrefana. Mihoatra ny 2/3n' ny tanin’ i Kazakstàna no efitra na saika efitra. Ankoatr’ ireo ony lehibe, ny akamaroan’ ny renirano sy ony dia maina saika mandritra ny taona.
Ny mponin’ i Kazaksatàna, izay ahitana vahoaka sy foko maro, dia manana toetra mampiavaka azy manokana: ny Kazàka no vahoaka vitsy an’ isa ao amin’ ny taniny; ny Rosiana dia saika miovy isa amin’ ny Kazàka. Ahitana foko maro madinika koa ny any, ka isan’ izany ny Okrainiana, ny Alemàna, ny Tatara, ny Ozbeka, ary ny Oigora. Ny fivavahana silamo sy kristiana no be mpanaraka any Kazakstàna.
Anisan' ny firenena mandroso indrindra any Azia Afovoany i Kazakstàna. Taloha, ny toekaren’ i Kazakstàna dia niompana amin’ ny fambolena, fa nandritra ny naha tao amin’ ny Firaisana S?vietika azy dia nandroso haingana ny taozava-baventy. Mandroso ihany koa ny fitrandrahana solitany sy etona voajanahary manodidina ny Ranomasina Kaspiana.
Repoblika s?sialista s?vietika taloha i Kazakstàna nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mikambana ao amin’ ny Fianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des états indépendants -- CEI) izy.
Je?grafia
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny velarantaniny, i Kazakstàna no firenena fahasivy lehibe indrindra eto an-Tany. Ny halavan' ny sisintany manasaraka azy amin' ny firenena manodidina azy dia 12 012 km. Manana morontsiraka amin' ny ranomasina roa mihidy ilay firenena: ny ranomasina Kaspianina ary ny Ranomasin' i Aral. izay voazara roa.
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]Tohanan' ny solitany lafo vidy, ny taha fitomboan' ny harin-karena faobe an' i Kazakstàna dia teo anelanelan' ny 8,9% sy 13,5% mandritry ny taona 2000 hatramin' ny taona 2007. Noho ny krizy ara-toekarena izay nisy ny fiantraikany eto amin' izao tontolo izao dia nidina ho 1-3 % fotsiny ny taha fitomboana tamin' ny taona 2008 sy 2009, ary nitombo indray nanomboka tamin' ny taona 2010[3] Ny entana hafa avoakan' i Kazakstàna dia ny varimbazaha, lamba ary biby velona.
Avo be ny tahan' ny fitomboan' ny vidim-piainana: mahery ny 6,2 % isan-taona ny fitomboany isan-taona ary nahatratra hatrany amin' ny 18,8 % izy tamin' ny taona 2008.
Tamin' ny taona 2002, i Kazakstàna no firenena voalohany indrindra izay avy amin' ny Repoblika S?vietika taloha izay nandoa ny trosany tamin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena.
Fiteny
[hanova | hanova ny fango]Raha mila mahay miteny kazàka ny tena vao afaka manao depiote, ny fiteny rosiana no fiteny ampiasaina indrindra eny amin' ny tanàna, indrindraindrindra any avaratra izay ahitana ny ankamaroan' ny olona Slava.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Ind?nezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - J?rdania - Kamb?dia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - K?ety - K?rea Atsimo - K?rea Avaratra - La?sy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - M?ng?lia - Nepaly - ?màna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
K?ntinenta eto an-tany
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|