浦发银行否认成都分行被壳公司骗贷1600亿元
Koreanina | |
Isan'ny mpiteny | 82,5 tapitrisa |
Faritany | ![]()
|
Sata | Ofisialy ao Korea Avaratra sy Atsimo |
Ny fiteny k?reanina dia fiteny tenenina any K?rea ary eny amin' ny faritra moron-tsisintanin' ny Repoblika Entim-bahoakan' i Sina (Yanbian) ary amin' ny fikambanana k?reanina any ivelan-tanindrazany (Beijing, Shandong, Rosia, Aostralia, Etazonia, Frantsa, sns.). Io teny io no teny ofisialin' i K?rea Avaratra sy K?rea Atsimo.
Mbola iadian-kevitra ny fianankaviam-piteny misy ny fiteny k?reanina. Heverin' ireo mpahaitsikerafiteny fa fiteny manirery ny fiteny k?reanina, kanefa ny sasany dia mametraka azy ao amin' ny fianakaviam-piteny altaika. Nisy fitoviana vitsivitsy amin' ny fiteny jap?ney io fiteny io [1].
Ny fiteny ko?reanina dia soratana amin' ny hangul; ampiasaina ihany koa ny hanja, amin' ny voambolana siantifika indrindra indrindra.
Soratra
[hanova | hanova ny fango]
Ny fiteny k?reanina dia nampiasa ny hanja (sin?grama) izay mbola ampiasaina amin' ny fanoratana ny fiteny sinoa ao Sina na ny fiteny jap?ney ao Japana. Nanomboka tamin' ny taonjato fahaenina hatramin' ny taonjato faha-20 ny fiteny k?reanina no nampiasa io tarehin-soratra io. Tamin' ny taonjato faha-20 dia nosoloina ho hangul ny soratra ?fisialy. Ny hangul dia abidy noforonin' i Sejong Ilaibe tamin' ny taonjato faha-15, ary noraràna nanomboka tamin' ny taona 1504 hatramin' ny 1894 ny hangul ary nampiasaina ho abidy ?fisialy nanomboka tamin' ny 1945. Na dia vitsy ankehitriny ireo olona mahafehy tsara ny hanja, mbola ampiasaina ihany io soratra io amin' ny fianarana ambony amin' ny voambolana siantifika ary ireo voambolana mikasika ny fil?z?fia sinoa.
Ny hangul dia ahitana litera 24 (renifeo 14 ary zanapeo 10). Soratana amin' ny alalan' ny fanavondronana litera araka ny vaninteny ny hangul. Mitovitovy endrika amin' ny fipetraky ny lela am-panononana ny renifeo ny endriky ny litera. Ny zanapeo dia manana ny eva ta?ista (teboka na tsipika fohy, tsipika mitsangana ary tsipika mitsivalana, izay midika "Masoandro", "olona" ary "Tany").
Soratana miaraka amin' ny elanelana ny teny k?reanina ankehitriny tsy ohatr' ireo fiteny sinoa na jap?ney. Mampiasa mari-tsoratra tandrefana ny k?reanina.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Martin 1966, 1990. Miller 1971, 1996